HANORATRA AHOHanoratra - RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra
Azo vakiana?
HANORATRA AHO
Hanoratra aho
Hanoratra foana
Hanoratra ho anao
Raha mbola misy ny fotoana!
Hanoratra aho
Hoan'ireo taranako
Mba ho hendry tsara ianao
Ry zanako!!!
Noho ity soratra ity!
Hanoratra aho
Ho hany tanindrazako
Lalaiko sy malalako
Ho hany ireo maty maritiora
Ho ataoko tantara
Hanoratra aho
Ho hany firenena
Izay maty manantena
Miandrandra harena
Fa tsy mahita vokatsoa
Hanoratra aho noho isika koa!
Hanoratra aho
Ho hany ireo mahantra
Dia hiandrandra lanitra
Hiantso an'Andriamanitra
Hoe ampio izy ireo!
Hanoratra aho
Hapetrako ho arena
Fenoantra(RFM)
Sokajy :
Tanindrazana
Mombamomba
Mpanoratra : RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra
Nampiditra : fenobe3Daty : 16/08/2017
Mpamangy : 653
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RAHA MBOLA MISYLIANTSOA Vehivavy iray t
SAKAIZAN'NY SEKOLY
MITOMANY I GASIKARA
FITIAVANA
FANDROSOANA
NY TOTOZY
Ento aho ravorona
Njely
ODY FITIA