You are here: home > Vetso

IZY INY MANTSY...! - RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra

Azo vakiana?

Izy iny mantsy...! olo-tiko
Tonkana aman-tany
Tsy misy mahasolo
Ray aman-dreniko faharoa

                    Mampitombo ny hafaliko
                    Mamafa lay endriko tomany  
                   Manome fitiavana voakolo
                    Hahitako tombotsoa
        
Tsy lany hamamiana!

Izy iny mantsy...! olo-tsotsa
Hanany raha ny fandeferana
Tiako aho raha mba hitovy aminy
Sarobidy loatra izy amiko

                          Nanarina lay fitiavako efa osa
                          Nanolotra fitiavana tsy ferana
                          Nahatsiarovako lay lasa fahiny
                          Nanorina ny akaniko

Tanindrazana tena mamiko

     Izy iny mantsy...! idealin'ny foko
     Diamondra sarobidy
     Jiro manazava ny maizina
     Masoandro manome hafanana

Manaingo ny tontoloko
Manolotra fitiavana lafo vidy
Ao anaty fangirifirina
Toerana kanto mahatamana
    Voarindra anaty natiora!


12 oktombra 2013