NENY (RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fony aho mbola kely dia notrotroin'ny neny
Ary tsy niala teny an-tanany mihitsy aho raha tsy nahay niteny
Nandady sy nandeha aza aho mbola voaramaso
Ary rotsirotsiny hatrany raha nitomany sy tojony akaso

Misaotra betraka ry neny ity zanakao
Ny fitahin'ny Tompo anie ho aminao
Maro ny zavatra tsara mandalo fa vetivetika dia tsy hita
Neny kosa mikatraka ny zanany mba ho tafita

Ry neny be fitiavana ry neny volamena
Tamin'ny fitazainao ihany no nahazoko fahendrena
Tsy misy olona mahasolo anao
Ray o ! ho ela velona anie izao reniko izao

Ry neny sarobidy tompon'ny fahefana
Mahafinaritra ny trotroinao fa azoko hafanana
Ka ho anareo mbola velon'dreny
Mahaiza misaotra sy mankatoa
Fa tsy moramora anie ireny
Fitaizananao ho olo-banona sy soa

1avril 2014
--------
Rohy:
898 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096