TANINDRAZAKO (RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao ry tanindrazako
Ka tsy ho adiniko
Ianao lay toerana nahaterahako
Ka itokiko

Tanindrazako ianao
Ka ho mamiko sy lalaiko
Raha misy manisy ratsy anao
Ho harovako ianao na hiala hatramin 'ny aiko

Tanindrazako ianao
Ka lovanireo taranako
Ary aoka ao andohany ao
Ireo fananako
Izay avy taminao

Ry tanindrazana vonjena
Mandrakizay
Mba omeo re ny harena
Mba hiadananay

Ry tanindrazanay malala
Hatraharo hatreo ny tebiteby
Mba hafahako manala
Ireo ratsy mandrebireby
Anao

Ry tanindrazanay mifadasika
Mba mitondra vokatsoa
Hafahanay miantrika
Ireo vahiny ratsy loha

Izy ireo mitady handrava
Fa tsy manana hery akory
Ny fanendrehana anao mbola hisava
Ry tanindrazako รณ ! mifohaza fa aza matory

27 Desambra 2014
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1031 1
Mpakafy: fenobe3
Hevitra mandeha
fenobe3 ( 26/11/2016 08:42)
Anisany tononkalo ankafiziko io
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016