TRABOINA (RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Jereo ny fahasahiranan'ny vahoaka malagasy
Izay mijaly sy miafy
Traboina lala-dava
Tsy misy andro mba mazava

Alahelo no miseho fanembonana
sesilany
Tompo o! mba vonjeo
Fa olonao ihany

Ireo voa izay nambolena
Tsy nitsiry avokoa
Sasatra foana re ny tena
Fa tsy nahazo vokatsoa

Ny havana mba nantenaina
Maty natelin'ny rano vetivety
Amin'iza no itaraina?
Fa ny mivavaka no mety

Tompo o! mba arovy ity taninay
Fa nosindrazana tsy foiko
Ianao no maminay
Manala ny toloko


Ireo zaza traboina mahantra
Mba ampio sy tahio
Fa ianao no Andriamanitra
Ivavahako eto anio


16 Javier 2015
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1094 1
Mpakafy: fenobe3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115