VOLA (RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mba nananako mantsy ny vola
Tsy otran'izao mihintsy ny fiainako
Saingy namaky ny lohako sola
Iza no itarainako


Raha mba hiaraka idola
Amin'ireo vehivavy manja
Aseo aloha ny vola
Aseo aloha ny haja

Voavidy vola ny fitia
Ka tsy misy ho ahy intsony
Fa vao mitory ny fitiavana dia tsia
No mandrakotra ny fony

Aiza no aleha
Mba ampio izaho ry Neny
Fa satriko handreha
Ny fitiavany ho eny

Ny fitiavana anie hahananako
Tsy lany hamamiana
Fa ny vola tsy eo ampelatanako
Dia aleoko mitia azy mangiana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1195 1
Mpakafy: fenobe3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138