FO ADALA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misentosento lava
Arahina anjoretra
Mitapitambim-bava
Toa mampite- hitsetra.

Ilay tovolahy iray
Te hamboraka fitia
Fa toa mangahiahy
Toa adala sanatria.

Tsy mba manan-kolazaina
Raha mba tojo ilay tiana,
Fa toa lasalasa saina
Tena valaka sy sina.

Toa mangovitra daholo
Raha jerena izato izy
Ary toa mitsangam-bolo
Tena hita hoe : Tsy izy.

Toa lazaina hoe : Menatra
Nefa toa sahisahy
Ny ao anatiny mirehaka
Fa izy dia tsy maintsy ahy.

Raha tojo azy anefa
Dia tsy hita izay atao
Mitari-dositra hilefa
Toa ankizy milalao.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1144 0
Hevitra mandeha
ravakangel ( 18/01/2008 14:36)
o ry zareo a!otrzany ny lelah refa tena tia!fa ra vo lé sahisahy b reny izy d mbola ts tafalatsaka tsara izy zay!mlay lé izy ka!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013