HIFANENA @ JAKOBA ??? (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIFANENA @ JAKÔBA???

Mbola hifarana ihany
Rehefa any aoriana any
Ireo ditra sy hadalana
Rehefa lasa ka tsy tana

Ny revirevy teny ho eny
No handatsa sy hiteny
Hampangidy rora am-bava
Hampiafinafin-tava

Ireo minia manao izany
Mbola hijaly, hitomany
Hanenina hidradradradra
Hiantso Neny sy I Dada (na koa Andriamanitra Ray)

Amin’izay fotoana izay
Efa potika sy may
Ny toetra maha-olona
Vao hiady sy hitolona

Ireo mpi-bizina ny tenany
Any andro hanenenany
Ireo mpanotra lehilahy
Mbola ho reraka fanahy

Ny mpilalao ankizivavy
Mbola harary sy hanavy
Na ny kofa na ny Jôba
Mbola hihaona @ Jakoba

Ka izay vao saina tonga
Hampalahelo toa kilonga
Hangirifiry hatramin’ny farany
Hahatadidy ny anarany

Ny fahendrena dia mitoetra
Toy ny marina rehetra
Ny haditrana dia mandalo
Fa mahapoti(ka)-java maro…

“Ka iangaviako ianao aza miandry hifanena @ Jakôba vao hahalala honina fa rehefa mba nahita kely dia ataovy ampy” raha misy hadisoako dia ny teniko ariana fa aza ny tenako.

Malalason 14/01/08
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1326 1
Hevitra mandeha
elienoro ( 17/01/2008 09:15)
tsy ratsy kosa aloha le izy sady za efa nahita olona nifanena t@ JAKOBE e!
Malalason ( 06/02/2008 13:57)
betsaka ny olona mifanena aminy saingy tsy mahalala azy raha tsy efa voadonany...mampalahelo
sejianis ( 31/03/2008 13:55)
ka indraindray koa anie Jakoba ka tsy dia mampitahotra an-dry zalahy e!
Fa asaivo soloin'i Dadafara!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114