You are here: home > Vetso

Ity malalanao - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

Azo vakiana?

ITY MALALANAO

Ry voromailalako!

Mangina tsisy feo
Mahatsiaro manirery
Fa lavitra anao

Feno ratra anaty
Ny embon'olon-tiana
"Ity Malalanao"

Very saina toa adala
Mipitra irery toa kamboty
Maniry fahasambarana

Tsy mandry fa matory
Mikipy nefa mihiratra
Rahoviana no hifarana?...

Ry Liona Tanorako!
Raha sitrakao ny amiko
Dia avelao hitsipaka
Eo an-tratranao.

Malalason R.JO
29/04/05

Sokajy : Hanina

Hevitra mandeha

nikopol (02/05/2005 10:22:27)

Mazotoa malalason a! lol

pisokelly (12/05/2005 11:53:16)

hafa kely njay zany anarana malalason zany an!

Malalason (12/05/2005 14:54:18)

io voatendry hisalorako koh !

andriary (25/05/2005 15:44:18)

sady tsotra no masiaka izany liona sy pigeon izany nefa mahafatifaty!raha atao sary iray ireo dia ahoana re e!liona misy elatra!sanatria sao dia hoe voronabe manan\'elatra ...fa enga anie ho : vorona matanjaka ...
voaraiko avokoa ireny 5sms ireny! ny valiny dia izao : hatao mihitsy lay raki-tsary fa itadiavo lay mpiangaly azy nefa mora!efa vonona ny rakin\'angola ao fa tsy ilay nataontsika iny fa hafa!ok eee!

Malalason (26/05/2005 11:35:38)

ok! ary e!

Hametraka hevitra

Midira aloha