Lomano anaty oram-baratra (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LOMANO ANATY ORAM-BARATRA

Niolomay aho
Nanenjika anao
Teny Ambodivona
Kinanjo, ny orana nidona

Nitselatra ny fo
Fa rava teo tokoa
Ilay tantaran-tsika
Fa dila ianao tsy hita


Fiara iray nitrena
Sy izaho nihenahena
No indro sisa tazana
Midiridiry mihidy vazana

Te hitroatra, te hitsoaka
Ireo mason’ny vahoaka
Mijery tsy misalasala
‘Ty izaho mila ho adala

Eny mantsy raha mba fantany
Raha rava koa ny lapany
Dia tsy nomeny tsiny aho
Raha manjeny toy izao

Any andro, any volana
Tsy ho foana akory ny olana
F’izao fijaliako izao
Mbola hanenenanao

R. JO 16/12/04 22h : 02 alina
--------
Rohy:
Sokajy : fisarahana
1107 1
Hevitra mandeha
andriary ( 18/12/2004 17:15)
Matihanina lay tonokalo!ny mmpanoratra no marimarina kokoa!misaotra e!
NyKanto ( 21/12/2004 18:39)
Tononkalo mampiseho ilay sonia ny maha-malagasy!
Ny Kanto
vetsoko ( 24/12/2004 15:21)
sady tsara ilay tononkalo no mampalahelo ilay tantara
mahafinaritra
SOBIKA ( 27/12/2004 15:41)
ountsssssss!!
tena mahavariana ny fandaharany ireo soratra
anehoana ilay mpanoratra
ny tena vokatry ny fony tamin'izay fotoana izay nipĂ´ka mafy toa tsy hay zay hiafarana ;hianjerana fa toa takon'azavana! satria de orana mikija no nifafy teny antava satria dia rava ilay manda.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011