You are here: home > Vetso

Miafina (sandrah, laingo, zoely, nambinina) - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

Azo vakiana?

MIAFINA
(Sandrah, Laingo, Zoely, Nambinina)

Any ambany ravina any
Ao anaty vovon-tany
Misy vatosoa miafina

Any anaty ala any
Eny antsefa-dongon-tany
Misy vonin-kazo miafina


Tsy tazanao raha jerena
Fa hafenin’ny hatsarany
Sy felany mamony

Ka raha fitia vao hambolena
Handravahana ny tany
Dia vonin-kazo toy itony



R.JO   (27/09/03)
Beronono