You are here: home > Vetso

Ny itiavako anao ? - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

Azo vakiana?

Ataoko fa tsy bika na hatsaran-tarehy
No itiavako anao!
Fa ny fahendrena sy hatsaram-panahy
Tsy fitia kisendrasendra na lalao
Fa fitia tena fitia, tsy manam-pahatamperana
Miaina ao anatiko ao
No itiavako anao

Ary raha tianao ho fantatra
NY ITIAVAKO ANAO ?
Dia tsy fantatro mihitsy, na inona aminao?
Fa tiako tsotra izao
Ny mifampitantana miaraka aminao

R.JO (Nov  2003) Residence Ankerana

Hevitra mandeha

bichette (02/07/2004 15:03:15)

izany no tena atao hoe fitiavana

Malalason (03/07/2004 12:40:42)

amiko aloha dia izay no tena fitia e! sa mahita hafa noho izay i Bichette? sy namako rehetra?

NyKanto (04/07/2004 16:14:24)

Marina!
Ny Kanto.

Malalason (05/07/2004 08:44:16)

misy antso nataon'ise ve ? ilazao aho ry Kanto a! valio @ e-mail e R.JO

NyKanto (05/07/2004 13:13:37)

Nisy antso natao tokoa... tohiny amin'ny e-mail

Karajia (05/07/2004 13:53:05)

tsy mbola nahita hi ! hi ! hi !

mbitaniavo (23/08/2006 13:27:16)

tsy fitiavana izany amiko, fa aza manaiky lembenana ianao ry Bichette a!ka ilay ho tiaviny aza tsy fantany akory.