Raha andeha ianao ... (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA ANDEHA IANAO …

Tapa-kevitra aho fa
Hitia anao tanteraka
Ka hanaja sy hiezaka
Tsy hitia afa-tsy ianao
Tonga anefa ity ny fety,
Tonga koa ny fisarahana
Andeha ianao hanainga,
Handao ahy vetivety
Ka omeo toky aho
Fa tsy hiova fo ianao
Fa hitazona sy hamihina,
Ny Dina nifanaovana

Ianao aza satriko
Hitoetra eto foana
Nefa dia atao ahoana
Ireo loharano nipoirana?
Moa azo andosirana?

Tsia! aleo ianao mamangy
Fa efa sasa-miandry
Ny Ankohonananao
Maika ny hitsena
Sy te ahita anao
Eny an-tseranana
Ary koa ireo namana
Niaraha-nialalao
Tandremo, sao hadinonao !

Fa raha andeha ianao
Izao tsarovy ary tadidio
Ny fo, aoka mba hadio
F’izaho aty tsy miova
Fa miandry foana foana
Eny… na dia aman-taona
Vao mety ahita anao

Raha andeha ianao ?
Soavadia rahavako
Etsy horoy ny tavako
Dia mampamangy anao
Amin’ilay Rafozako any
Fa izy hoe mbola any
Tsy afaka manoatra
Na dia te hitroatra
Hamangy anareo

Ity hira ity hiraina
Ataovy ao an-tsaina
Raha mahatsiaro ianao

“Tsy hanadino anao aho
Raha mbola velona
Tsy hanadino anao aho
Sy ireo fiarahana
N’inon’inona atao
N’aiza n’aiza misy ahy
Ny fitia no tsarovy
Dia Fy naharitra …”


R. JO 11/12/04
Ankadifotsy
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
2330 5
Hevitra mandeha
lindaglacier ( 11/12/2004 12:01)
fa dia nahoana loatra no tsy maintsy misy foana ny fisarahana eo @ fianana e! an ?
sonwin ( 11/12/2004 22:08)
Izay marina ilay fiainana, izay rehetra tafaraka dia tsy maintsy hisaraka. Dia toy izany hatrany ny fiainana eto an-tany. Io hira namarananao azy io ry mpanoratra tena ankafiziko mihitsy , ilay tonokalo koa tsara ka....mampisento
nyeja ( 12/12/2004 08:53)
hmmm miainga foana ny ainga-panahy any ankadifotsy any an , tsara ilay tononkalo e
Ny eja namanao
vetsoko ( 13/12/2004 17:44)
misaotra fa mahakasika ahy ilay izy saingy izaho indray no nandeha dia izy miandry ahy
atolotro ho anay 2 le izy,si tu me permets!
razo ( 14/12/2004 11:55)
reveko b lesy le haingam-panahy a!d tohizo fa tsara,fa eo @ le rima no misy indro kely .tohizo fa tsra d koloy fa kanto.d zao koa tena mandona b le izy izay no tena hireveko azy .merçi letsy e!
razo ( 14/12/2004 12:04)
mamy ery lay horokao
lay horokao tsy teo akory
lay horokao tsy nisy mantsy
no mba nentiko natory
nahamando ny ondako izy
ka nahaterantsemboka ahy
hay tsy horoka imolotra fa horoka am-panahy
yonikafopl ( 17/12/2004 20:15)
Malalason! mahereza e!!
na lavitra aza ny elanelantany, na misy aza ny fisarahan-toerana ilay tena fitiavana tsy ho levona fa hitoetra eny foana.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148