You are here: home > Vetso

Senton-jazavavy - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

Azo vakiana?

Izay rehetra ahiko
Sy hany nananako
Eny, hatramin'ny
Fahadiovako
Dia nafoiko noho ianao

Ny esoeso sy ny latsa
Ny tondro-molotry ny tsy tia
No zary hazo fijaliako
Dia nozakaiko noho ianao

Ka asanao raha sahy
Sahy hanadino,
Ny mamy niarahana
Fa ianao dia tsy ho voafafa
Ato am-poko mandra-maty

R.JO ( Ankatso 2001)

Sokajy : Alahelo, Alahelo, Alahelo

Hevitra mandeha

bichette (16/07/2004 07:38:36)

fitiavana .....

NyKanto (16/07/2004 08:08:41)

Mitia dia manome
Mitia dia maharitra
Ary sahy miteny hoe :
Ho doria sy hofinaritra!

Ny Kanto.