You are here: home > Vetso

Tiako ho ahy ianao - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

Azo vakiana?

TIAKO HO AHY IANAO

Tina !
Eo anilanao no tiako hitosina
Eo an-tratranao no tiako hiondanana
Ary ny fe-nao no tiako hipetrahana !

Tina !
Eo antsofinao no tiako hitafana
Eo imolotrao no tiako itohofana
Ary ny tananao no tiako hanafosafo !

Tina !
Mba ekeo ny fiangaviako
Fa aza ilaozanao mitsiky
Manazava ny aty foko !

R. JO (30/09/04) DO.COM CYBER
Tél : 033 14 607 25

Hevitra mandeha

yonikafopl (02/10/2004 13:35:46)

hummmmm aiza ianao ry Tina hamaly ity fiangaviana;
antson'ny Fo;
antson' i Malalason!!!

Malalason (04/10/2004 10:16:45)

m'sôtra e! angamba ho tonga ihany izy @ ora tsy ampoiziko hamaly ny fiangaviako satria izaho mino fa ny anjara tsy midify, ary izy ilay "voatokana ho ahy"
R. JO

make (07/10/2004 13:28:39)

Mahafinaritra kah!

bidou (07/10/2004 13:53:13)

mahafinaritra be le izy fa aza be sentiment loatra

Hametraka hevitra

Midira aloha