Afom-Pitia - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Miredareda mafy ao am-po
Ny faniriko hiaona aminao indray andro
Koa ny maraina aho, raha vao mifoha
Dia ny manembona anao no ataoko isan’andro
Toa mahery vaika manenika ahy
Ilay afom-pitia izay mitoetra
Ny olana rehetra nanjary tsy tsiahy
Rehefa lasanao ny momba ahy rehetra
Na ny Ony aza hoy ny baiboly
Dia tsy mahavono ny afom-pitiavana
Ary niezaka aho mba nikolokolo
Mba hijoroan’ilay tena fitiavana
Tsapako tokoa aloha
Fa vao maika niorina
Ilay fitiavantsika roa
Na be aza ireo olana
Ilay afom-pitiavana moa
Dia tsy maty vonoina tokoa
Mafana, mandoro, mangotraka be
Tsy mahafaty azy ny Renirano mandeha
Indrisy nefa ry afom-pitiavako
Fa lefy ihany ianao hoy ny fitiavako
Ilay nandrehitra anao ihany no nahay
Koa nahafoana azy mandrakizay
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà

Nampiditra : tiahservice
Daty : 14/08/2019
Mpamangy : 589
Mankafy : 5
Tononkalo hafa
MIVERENA!ILAY FOTOANANTSIKA
FITIA VOAHOSIM-POTAKA
Mahay Mitia
Ilay Fahazavako
Ilay Tantaran-tsika roa
Tena Tiako Ianao
Ilay Fitia tena izy
Tena tia tokoa ve?
Ilay bika aman'endrikao