Ho an'ireo Namako (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
 Tiako daholo ianareo namana
 Na ny havia izany na ny ankavanana
 Tiako ny kely tiako ny lehibe
 Na ny ankehitriny na ny taloha ela be

 Nomenareo ahy ny tena Fitiavana
 Nefa ianareo tsy tena havana
 Nareo no nahatonga ahy ho lasa nasandratra
 Teo anilanareo aho ka nahatsiaro sambatra


 Tao ny ady sy ny fifandirana
 Tao koa ny andro izay nampanahirana
 Ny fitiavana anefa no tena mahery
 Koa nisy anareo aho tsy mba irery


 Tiako isika raha hiaraka foana
 Indrisy anefa, fa voafetra ny fotoana
 Raha sendra mahatsiaro ianareo dia izao tokoa
 Mijere « Dessin animée » Sangoku

 Izay angamba no azoko ambara
 Ho an’izay zavatra hitranga any afara
 Tsara ho fantatrareo zany zalahy
 Fa tsy hanadino anareo mihitsy Ejicà
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
1235 11
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131