ILAY FOTOANANTSIKA (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
 Isakin’ny tafahoana
 Indray andro iny isika
 Dia toa vetivety foana
 Ilay fotoana hihaonantsika

 Nanapaka ary isika
 Fa hoe ho any Bemanonga
 Fa hoe: any misy paradisa
 Nefa indrisy isika fa tsy tonga

 Any antsakoameloka any indray
 Hoy ianao no alehantsika
 Koa amin’izay fotoana izay
 ho lava ilay fotoanantsika

 Tsy hamitaka ahy velively
 Hoy ianao nampanantena
 Niombonantsika tamin’ny akia kely
 Fa io fotoana io no ekena

 Ambony loatra ve ny kintana
 Koa tsy takatsika roa
 Sa izaho no ratsy vitana
 F’izay ataoko toa tsy to

 Fotoanantsika roa manaraka
 Dia tsy ho vita vetivety
 Satria isika nifanaraka
 Fa Hiara-hamonjy ilay fety

 Telo andro tsy hahatongavana
 Ilay andro fety be
 Dia voatery nolavina
 Satria ianao tsy maintsy handeha

 Eny! Rava tanteraka
 Rava fa tsy tafita
 Ny foko ty toa ketraka
 Indrisy ilay fotoanantsika

 Lafitsara foana aloha jerena
 Hoy ny saiko tsy mahafoy
 Ny foko koa manantena
 Satria ny fiainana mitohy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fitiavana
667 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148