You are here: home > Vetso

MIVERENA! - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà

Azo vakiana?

Latsam-paka ao anaty
Ilay fiarahana taloha
Atreto aloha tsy maty
Fa tafalatsaka ao am-po

Moa ve tadidinao
Ilay isika niara-droa
Dia toa tsy hifandao
Fa nifankatia tokoa

Tao anaty fahasambarana
Satria nafana ilay fitia
Koa vao niditra ny varavarana
Dia ianao no nanenika ahy aki

Indrisy anefa ry ilay malalako
Fa nankaiza ilay fitia ?
Sa efa lasan’olon-kafa ?
Aza misy izany sanatria

Tiko loatra ianao ry vadiko
Tsy mbola niova ilay fitia
Koa izao ny ahy ny voadiko
Ho tia anao aho hodoria

Ekeko ho ahy ny fahadisona
Koa inty re aho mifona
Hadinoy ny ratsy izay niseho
Ny toka-tranon-tsika mba jereo

Ry vady mamiko tsy foiko
Miangavy anao aho, mitoloko
Miandry anao , ka manantena
Miantso anao aho, miverena !

Sokajy : Fitiavana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha