Iza no ho Fidiko - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Itako avokoa na ny fohy na ny lava
Na tamin’ny andro maizina na ny mazava
Maro tamin’izy ireo no niriko
Koa iza amin’izy ireny ary no ho safidiko ?
Betsaka ireo no sendra mifanena
Na ny ety an-tanàna izany na koa ny eny an-tsena
Tsy lany ny isany ka tahaka ny votry
Koa iza no ho fidiko , ny mainty sa ny fotsy ?
Ao ny tsara loko, ao koa ny sadasada
Ao ny tsy ampy taona matahotra an’i dada
Tao ny tsotsotra, tao koa ny manan-danja
Koa iza no ho fidiko, ny ratsy sa ny manja ?
Misy sarokenatra, ao koa ny sahisahy
Ny gasy kolotsaina, sy ireo te ho vazah
Misy ireo mihaja , tao koa ny malotoloto
Koa iza no ho fidiko, ny mahay sa ny donto ?
Ny endrika aloha azo lazaina hoe :misy
Na sarin-karana izany na ny metisy
Koa iza no heverinao ho mety sy ho sahaza
Ilay efa zokinjokiny sa ilay tena mbola zaza ?
Mombamomba
Mpanoratra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà

Nampiditra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Daty : 29/03/2019
Mpamangy : 838
Mankafy : 10
Tononkalo hafa
MIVERENA!ILAY FOTOANANTSIKA
FITIA VOAHOSIM-POTAKA
Mahay Mitia
Ilay Fahazavako
Afom-Pitia
Ilay Tantaran-tsika roa
Tena Tiako Ianao
Ilay Fitia tena izy
Tena tia tokoa ve?