You are here: home > Vetso

Mahay Mitia - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà

 Ry ilay nirin’ny foko
 Toa sadaikatra aho ny hitia
 Nefa toa tsy ho foiko
 Ny tsy ho eo anilanao akia

 Toa misalasala aho ny hiteny
 Sy  hanambara ilay fitia
 Noho ireny fihetsikao ireny
 Moa ve  mahay mitia ?

o Mbola Nofy aloha hatreto
o Ny fahasambarantsika roa
o Ny hoavintsika mbola sento
o Mbola vinavina aloha

o Iriko anie ry tiana
o Ilay faniriako ho anao
o Mba tsy ho ary vinavina
o Fa efa fiainana atao

 Fotoana maro nihafiana
 Ity foko nidradradradra
 Taona maro aty aoriana
 Moa ho afaka ilay gadra ?

 Enga anie ry ilay fitiavako
 Mba hitsahatra  amin’izay
 Ireo sedra mafy niaretako
 Hiova fifaliana ho ahy !

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha