Ny Fitiavako anao - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Ny Fitiavako anao izay tsy ho voavidy
Koa na iza na iza, tsy afaka handidy
Ny Fitiavako anao dia tsy mety ho faty
Fa efa miraikitra ato anaty
Ny Fitiavako anao dia voafehy
Ao anatin'ny Akany tsara tarehy
Ka na zovy na zovy hamoha ny fatorana
Ilay Fitiavako anao dia tsy hatahorana
Ny Fitiavako anao dia tsy mety hafindra
Satria ilay fitia tena lehibe indrindra
Koa na iza na iza hanao herisetra
Ny Fitiavako anao dia tsy hanam-petra
Ny Fitiavako anao izay novolena
Tao anatin’ny Fo, lonaka mamoa
Koa na totototoina na hosihosena
Dia hitsimoka ihany na tena efa voa
Mety hisy ny mpanao ankaso
Koa handatsa-dranomaso
Ary koa ny hiteny lava
Fa ny Fitiavako anao dia tsy mba ho rava
Ny Fitiavako anao tsy sanatria mandalo
Tsy Marim-pototra maha- be fahavalo
Tsy ilay fitia sary na hoe : Maikamaika
F’ilay fitia tena mahery vaika
Ny Fitiavako anao dia efa vatofantsika
Mitoetra ao anaty ka tsy ho voafandrika
Koa na amam-polony na aman-jatony no manenjika an’izy io
Dia tsy hahafoana mihintsy ilay fitiavako Madio
Ny Fitiavako anao dia hahanjary
Ary eo an-tanan’ilay Mpahary
Ny Fitiavako anao dia iray
Izay maharitra mandrakizay
Mombamomba
Mpanoratra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà

Nampiditra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Daty : 29/03/2019
Mpamangy : 2368
Mankafy : 17
Tononkalo hafa
MIVERENA!ILAY FOTOANANTSIKA
FITIA VOAHOSIM-POTAKA
Mahay Mitia
Ilay Fahazavako
Afom-Pitia
Ilay Tantaran-tsika roa
Tena Tiako Ianao
Ilay Fitia tena izy
Tena tia tokoa ve?