Resinao aho - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Manao azafady aminao
Raha manoratra izao
Ary aza dia entim-po
Fa tonia tsara aloha
Noho ilay fitia izay mibaiko
Ho fitiavako anao
Izay mibahana tsy haiko
Fa mitoetra hatramin’izao
Tena resinao ny foko
Koa isan’andro aho mitoloko
Maniry ny hihaona aminao foana
Koa matetika aho lasa mivaona
Efa lasanao daholo
Ny fitiavako rehetra
Fitia tsy ho voasolo
No sady tsy mba manam-petra
Tena resy, resy, resy aho
Hoy ny fitiavako izay mitalaho
Tena babo, babo, babo aho
Hoy ny foko izay tena tia anao
Mbola tsy tsapanao ihany ve ?
Ilay fitiavako izay tsy voafehy
Tena mitalaho sy mivalo
Fa ianao re tsy atakalo
Ry malala a !!
Sanatria raha hiala !
Fa miandry foana akia aho
Na oviana satria resinao !
Mombamomba
Mpanoratra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà

Nampiditra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Daty : 24/05/2019
Mpamangy : 1423
Mankafy : 15
Tononkalo hafa
MIVERENA!ILAY FOTOANANTSIKA
FITIA VOAHOSIM-POTAKA
Mahay Mitia
Ilay Fahazavako
Afom-Pitia
Ilay Tantaran-tsika roa
Tena Tiako Ianao
Ilay Fitia tena izy
Tena tia tokoa ve?