Tena tia tokoa ve? - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Takariva maizim-bolana
No nihaonan-tsika roa
Voalaza fa tsy misy ny olana
Raha isika no hiara-droa
Fotoana fohy taty aoriana
Indreto isika niara-dia
Tsy nisy zavatra nahiana
Koa lasa mpifankatia
Nitohy hatrany hatrany
Izany fiarahan-tsika izany
Zay aho vao nahatsapa
Fa nisy zavatra hafahafa
Lasalasa saina ihany aho
Rehefa nandinika ny momba anao
Koa nanontany tena hoe :
Tena tia tokoa ve ?
Sarotra amiko ny hanazava
Ny fanahiana ato anatiko
Ny faniriko mba hisava
Ny amin-tsika izay tsy tantiko
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà

Nampiditra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Daty : 24/05/2019
Mpamangy : 1068
Mankafy : 12
Tononkalo hafa
MIVERENA!ILAY FOTOANANTSIKA
FITIA VOAHOSIM-POTAKA
Mahay Mitia
Ilay Fahazavako
Afom-Pitia
Ilay Tantaran-tsika roa
Tena Tiako Ianao
Ilay Fitia tena izy
Ilay bika aman'endrikao