You are here: home > Vetso

Tena Tiako Ianao - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà

Ny fahitako anao
Tovovavy tena soa
No nandrisika ahy izao
Hanambara ny ato am-po

Tiako ianao raha tsorina ny tiako ambara
Tena tiako lotra ka tsy haiko hazavaina
Ny azoko lazaina fotsiny dia zao
Tiako lavitra mihoatra ny tenako ianao

Ambarako eto aloha
Raha ny amintsika roa
Fa Fitia tena madio
No hiainantsika anio

Babonao tanteraka aho
Hoy ny foko tena tia
Asa re raha tsapanao
Ilay Fitiavako ho doria

Ampahafantariko anao ny ato am-poko
Ary indrindra ny hitalahoako
Iriko  tena marina fa tsy sangiko
Hoe : ianao no ho ravaky ny tokantranoko

Tsy ho lava resaka aho fa aleo ho faranana
Saintsaino izany fitiavako izany androany
Averiko fa tia anao aho, hananganako tànana !
Mandram-paha-tapitry ny tantaran’ny tany !

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha