You are here: home > Vetso

Aleo - ranaivoharijaona rado liantsoa

Azo vakiana?

Ry tompo an-danitra ao
Iriko sa mamiko
Raha mba esorina amiko
Ny foko sy ny saiko
Soloina vaovao


Fa mampijaly loatra
Ny ataon'ny fahatsiarovana
Misalovalovana
Amin'izay rehetra atao


Koa mba iangaviako
Aleo esorina amiko
Ireo fitadidiako
F'izay no antony ikipiako
Ry tompo sy Andriamanitro
.....Ahiratro ny masoko
Amin'ny anaran'iJESOA
Misaotra anao mialoha

AMEN !

Sokajy : Fahatsiarovana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ranaivoharijaona rado liantsoa

Nampiditra : proost
Daty : 17/03/2005
Mpamangy : 951
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

manga
manga
TIA
IANAO
LASA
Dify
Misy
Ry alina
Sarotra
Zovy