Misy - ranaivoharijaona rado liantsoa
Azo vakiana?
Misy fo minia mivelona
Amin'ny vatana efa maty
Mampirongatra tsy tanty
'Lay fo vao avy notoniana
Sy ilay endrika vao maloka
Noseranim-pahoriana
Dia nangina teo ny misy
Fa ny fo nitempo mafy
Te hamonjy ilay notiaviny
Any am-batana efa maty
K' injao mihika mafy èry
Tamba-jotran'ny fitia
Sokajy :
Fahatsiarovana
Hevitra mandeha
andriary (21/03/2005 12:15:20)
MISY eritreritra lavitra ity tonokalo ity!
MISY aingam-panahy hafa dia hafa!
MISY fomba fanoratra mety ho lasa lavitra!
mankasitraka!