TIA (ranaivoharijaona rado liantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Azafady indrindra
Ry tiana sombinianina
Tsy ianao rano velona
Mpanafaka hetaheta
Tsy ianao no ilay maraina
Andrandraina lava
Fa misy ny mazava
Fotsiny aza angamba
Ny azonao omena
Sorisorintsaina
Sy tebiteby lava
Tsy ianao no zaridaina
Mpanainga ny fanahy
Hiritso kalo fifalina
Koa azafady indrindra
Ry tiana sombiniaina
Tia anao ny foko
Fa tsy azonao ratraina
--------
Rohy:
Sokajy : Fifaliana
1773 2
Hevitra mandeha
mitsoa ( 22/06/2015 04:15)
zany indrindra e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ranaivoharijaona rado liantsoa
Nampiditra : proost
Daty : 26/12/2005 06:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107