manga - ranaivoharijaona rado liantsoa
Azo vakiana?
Moa tsy hasambarana
Mandona varavarana
Itsy zaza manga
Mitsiky a-nify banga
Volo tsara randrana
Toa vony maitso mavana
Fiotin-jaza vavy
Ho fanaingona vazy
Ny haniny maledaka
Mitondra maninteraka
Filana manadala
Tsy ahatsapana reraka
Lay tsikiny miely
Reo fandaigana kely
May nanosika ahy
Hanaraka am-panahy
Nahoana loatra ary aho
No de rendrirendrikao
Ry mangamanga havako
Ianao tokoa vare
Lay hatsaran-tarehy
Voatokana ho anjarako ?!...
Sokajy :
Fitiavana