IANAO - ranaivoharijaona rado liantsoa
Azo vakiana?
Matoa ianao no tiako
Sy efa nandaniako
Ny rehetra tato am-poko
Tsy noho ianao bikana
Kanto mahafinaritra
Niangaran Andriamanitra
Tsy noho ianao akory
Mpanala sorisory
Alohan'ny hatory
(na ny hafa tsy hay ambara)
Fa noho ianao fanahy
Niombonako tsy nahy
Teny an-dalana nombana
Matoa ianao no tiko
Dia noho ianao tia ahy
'Zay fotsiny MALALA !!
Sokajy :
Fitiavana