You are here: home > Vetso

Hatraiza - ranaivoharijaona rado liantsoa

Azo vakiana?

Nankarinao hatr'aiza ny lahin-jironao
No ampy nahazava ny hatrao anatiko ao?
Ny ahy ny lahin-jiroko mitsilo oriory
Tsy afaka mibanjina zay misy anao akory!

Haavo firifiry no misy anao fitoetra
no indro mahatsinjo ny amiko rehetra?
Nyahy ny fahitako mitopy verivery
Tsy mety mahabanjina ny masonao mijery!

Ambany elatrao no mialoka ny tany
tsinjonao daholo ny lalana hombany!
Ianao no ilay mahery tsy ravan'ny fotoana
.....Andriamanitra รด nahoana?

Sokajy : Ahiahy

Hevitra mandeha

doum (07/08/2005 21:22:50)

tsara zan raha tononkalo
misaotra ry proost a
tohizo

Malalason (08/08/2005 13:14:03)

hoy Atra hoe : "ry zanako ! asan'ny tanako ianao ka aoka ho adidiko ihany" de mazotoa hatrany ary e!
katsaho de trandrao fa farany ho hitanao ihany ny fotony mila mi-sacre-kely fotsiny.
Malalason

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ranaivoharijaona rado liantsoa

Nampiditra : proost
Daty : 07/08/2005
Mpamangy : 1044
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

manga
manga
TIA
IANAO
LASA
Dify
Misy
Ry alina
Aleo
Sarotra