Hifonako - ranaivoharijaona rado liantsoa
Azo vakiana?
Hifonako malala
raha tsy afaka aho mamaly
ny taratasin-dry
sady tsy afaka mankany
tsy manadino sanatria
f'indrisy ny hoenti-manana
ividianana ny hajia
sy izay mety ho saran-dalana
no tsy eto ampela-tanana
Mba satry aky malala
hiaraka hidola
satry hatoritory
ery am-batan-dry
malandy sy bakora
hianoka hasambarana
fa tsisy aky ny vola
hany ka mahalana
vao afaka mankany
Sokajy :
FITIAVANA