You are here: home > Vetso

Satriko - ranaivoharijaona rado liantsoa

Azo vakiana?

Malala ah!!
    Satriko hitafana
    Ireo kalon'adalana
    Mba vitako hatrizao
    Eo an-tsofinao

    Satriko ho sahala
    Ny revin'eritreritra
    Sy irony mba filan'ny
    Nofoko sy ianao
( na androany fotsiny aza)

Malala  ah!!
    Mangina mantsy izao
    Ny ao an'efitranoko ao
    Koa asa!! mazoto ve ianao?

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Miravaka (22/08/2005 07:44:03)

Mila atao tonokalo ve zany vao vita ny milaza zay ilaina @na vehivahy iray e!!!
Maninona raha tonga dé tsorina fotsiny we...

fiaritiana (21/11/2005 16:03:48)

mba aingam-panahy re izany ry miravaka sa tsyhaiko aloha e...
biz

ledada (26/10/2006 12:47:30)

ho an'i miravaka, ts oe atao tononkalo akory vao vita ny milaza izany @ vehivavy fa mba atao @ endrika"kanto" toy io izy e! ts efa mankaleo sady mahazatra v ilay miteny azy toy ny mahazatra isan'andro e! aiza ka teny 2 fotsiny d vita! hahaha! io izy mba misy "episy" sy ny karazany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ranaivoharijaona rado liantsoa

Nampiditra : proost
Daty : 25/07/2005
Mpamangy : 1023
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

manga
manga
TIA
IANAO
LASA
Dify
Misy
Ry alina
Aleo
Sarotra