You are here: home > Vetso

Taiza? - ranaivoharijaona rado liantsoa

Azo vakiana?

Taiza ianao no nonina?
Ry ilay nivikiviky
Tsy laitra notazonina
Nandalo dia nidify

Nirina ho tinaiza
Ho zaza filalao
Nefa izao dia aiza ?
Vao tonga dia nandao

Nandona varavarana
Dia nampandrosoana
Noheverina ho namana
Hay tonga anao veloma

Ka monina aiza ianao
Ry ilay mpandalo iry?
No tonga dia nandao
Tsy aleo tsy nankaty!!!?

Sokajy : Fahafatesana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ranaivoharijaona rado liantsoa

Nampiditra : proost
Daty : 30/03/2005
Mpamangy : 985
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

manga
manga
TIA
IANAO
LASA
Dify
Misy
Ry alina
Aleo
Sarotra