Ngotingotin-jaza adala! (RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques )

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ngotingotin-jaza adala!

JESOA Ô!
Mba jereo fa mitaraina
Ity foko mitalaho,
Aza avelanao hangaina
Tômpo ô aza ilaozanao.

Tsy tsapanao ve ny alaheloko
mitambesatra aok’izany?
Eny, ekeko aho fa meloka
Fa mba amindrao fo ihany.

Dia adin-tsaina, fijaliana…
No ianako hatrizao,
Tsy mba misy fifaliana,
Fa sento lava izao.

……….
……….

Tsy efa ampy ve izay
Ireny fijaliana ireny?
‘Ndrao re hanimba indray
‘Ty finoako izay malemy.

Eny, ekeko ho sedra
Hampitombo ny finoako,
‘Reo ‘zay oni-pahotana
Hanafaka ahy tsy hitoloko.

Nefa moa raha sitrakao
Sy hainao fa hahasoa ahy
Ny hizakako izao sy izao
Dia herezo aho tsy hiahihay.

……….
……….

Omeo ahy ankehitrio,
Omeo ‘zao f’efa tsy andriko intsony,
Tsy rahampitso fa anio,
‘Lay fanafodin-donilony.

Efa fantatrao fa tsy haiko
Ny miaina am-pifaliana
Raha tsy azoko izay ilaiko
Na mahatanteraka izay tiana.

Miandry ihany hatramin’izao
Tsy mba sasa-mitalaho
Nefa mbola tsy omenao
Ilay tambitambinao.

……….
……….

Ny ho voatambitamby hatrany,
Sy hiaina am-pitsikiana,
Ho lavi-tsento sy tomany,
Tsy sarahana amin’ny tiana,

Ny ho sambatra finaritra
‘Zay no hany faniriako,
Tsy handalovan-java-tsarotra
Sy tolorana ‘zay tiako

NEFA IZANY REHETRA IZANY
NGOTINGON-JAZA ADALA
F’AOKA RE ‘ZAY TIANAO IHANY
NO HO EKEKO RY JESOA MALALA

FA RAHA SITRAKAO KOSA!
AZA MBA ESORINA AMIKO
F’AMPITOMBOY HIAVOSA
‘LAY FIADANAM-PO MAMIKO

RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques 21/04/14
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Alahelo
927 1
Mpakafy: J.Jacques
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
Nampiditra : J.Jacques
Daty : 28/02/2020 23:29
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146