Fitia mihevaheva (raozy mainty)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niserana teny ilay dina mafonja
nifanaovan'tiana sy tia teo andalan'ny nofy
misento irery ilay tsiaro voafonja
nisaina mangina ilay voady kanosa

Fa namako akaiky sa olon'ny foko
No azo hilazana ilay fo toy ny adala
Omaly namaly sy nety nantsoiko
Ny ampitso nilaza ho tsy nahalala

Tsy mba nisaraka nefa tsy niombona
F'enao ilay fitiavana toa nihevaheva
Dia ny antson'foko nanaiky ny hionona
Fa ho lanjainy samirery ilay faneva
(ilay saika nentsika roa)

Dia mba nandinika ihany ny saiko
Hoe teo ny halavirana vatana roa
Anjara sa lahatra nefa to tsy haiko
fa toa nitambatra ho azy ny fo

Tsy ho resy ny halahelo izay mitoetra
Faa afaka ekena ny lalan'ny fiainana
Mijanona ato ampo izay vita rehetra
Fa ny rafitra misy no mitondra fisainana
--------
Rohy:
1360 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137