You are here: home > Vetso

Iny habakabaka iny - raozy mainty

Azo vakiana?

Iny habakabaka iny no hilalaovatsika
Ka na hangatsika ary dia hafana ny fitia
satria tafaradia ilay tiana sy efa tia

ny mandrakizay no ndao hofandrihana
dia ndao hifamihina hifandray ampo
fa zao no efa voatendry ho lalatsika roa

eo fa iangavina andravaka ny kintana
Tsy ilaina vintana na asina fanahiana
fa ainao ny fifaliako?ny anataonao hoe tiana

na ny erika malefaka na rivotra mandalo
toa sarotra afangaro ilay ventso ampoko ao
fa manosika ahy hilaza foana hoe tiako ianao

ka ny fidobokin'ny foko ny heta2 mafy
tsy mahay miafy fa te andrombaka ny tiny
te izara ilay fitiavana ho anao iny