Tonga hifona (raozy mainty)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angola mba tao aminy sy toetra iray nananany
Ny mba matsapa tena raha diso izany lalany
Fa izy hono nofo ka mba malaelo sy tohana ao ampo
Ka raha sendra misy diso dia mba mifona aloha

Hariva tahaka izao

Tonga izy nandondona,fa ory hono ny fony
Tonga mba hifona fa tsy hainy nohadinoana
Ireo vita rehetra,ka tiany raha hitoetra
Sy tsy asina fetra ny lalana ho avy
Moa teo koa ny voady niarahana natao
Nitsiky teo ny molony,ny tanany natolony
...izaho koa tia anao

Niaraka nifaly teny andalan'ny fitia
Toa olon-droa vao sambatra fa tafaradia
Ka nifanafatra ny hamefy sy hibaiko ny sainy
Tsy amela anjaka ny ady sy zay mampitaraina

fa ny lalana malama dia indrisy tsy hay ialana
fa misy foana ilay nolavina nirina tsy anjaka
Hanimba izay notiavina aneho ilay sy zaka

Hariva tahaka izao

Dia toy ny mahazatra
Tonga izy mba hifona fa feno be ny fony
Dia namerina izay lasa fa hay mbola tsaroany
Fa fanindroany izay,
Ny fahatelo tsy ho hisy intsony
Fa toa tsy hay ny manda rehefa tahaka izao
Dia....izaho koa tia anao

Moa ilay tiana tao ampo mbola manana fitia
Mbola tsy mahafoy fa hita mankafy
Na feno sampona dia
Ka nitohy indray ny lalana

Dia nivadika ny volana,taona roa sahady
Andro no isaina dia ho voasotra ho mpivady
Fa naharesy ny ady ny sedra be nianjady

Saingy
Ny lalana malama
Ka indrisy toa tsy tana ilay mandratra fo

Hariva tahaka izao
Tonga izy mba hifona,hotsaka ny tavany
Tsy mba nandondona fa indro efa tazany
Mitsena izany lalany ilay olotiany

Raozy mainty teny antanany
No indro fa natolony dia nandohalika izy
Nietsika ny molony dia io fa nilaza
Nitomany toy ny zaza,
"miangavy aho miverena
Ao ny foko manantena,aza avela hangasiasy
Sy ho ritra ranomaso fa henoy ny fitarainany
Jereo ny fanaintainany,tia anao aho
Mbola mila anao ny fiainako..."

Niandry teo ny fony saingy...
Tsy nisy namaly intsony
Mafy taminy loatra
Fa ilay tokana niriny efa any akoatra
Nofo mangatsiaka no indro niangaviny
Mba hieno farany ilay faniriny
Ilay olotiany...
Efa ampoka fitia,voky fahasambaran'ilay nanolotena
Nanokana ny fony ho iray fitempo
Ka ilay mandrakizay nirina hifaliany
Natokany hisaonana ilay olotiany


"Fa tsy tapitra ny lalany
Ny fony no tsy nitempo intsony
Fa ny fitiavany ao ampoko
Ka tsy mba ho hadinoiko
Fa teny izay nekeko
Hoe zay amiko homeko
Hozaraina sy asambatra
Mba ho hita fa nitambatra
Ka ny olotiako hatramizay
...ho mandrakizay"
--------
Rohy:
1487 1
Mpakafy: nante.jade
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3378