Ianao irery (raozy mainty)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao irery

Nitomany heritreriny
Nihitatra ny feriny
Rava indray ny lapany
Potika ny lakany


Navelanao ho irery
Natosikao ho very
Ilay fony diso tia
Sambatra sy naka fy


Izy ilay velo-tsiky
Sy namorona ny tsisy
Niady zava-baovao
Mba hafaly ny fonao


Nanda ny soa ho azy
Handaminana ny ho avy
Hampamiratra ny seo
Himbanjinany anareo


F'izy tsy hitomany intsony
Na rotidrotikao ny fony
Fa nekeny iza ho anjara
N aho ratsy na ho tsara


Satry ny lalana nodiaviny
Ny tanjon'ny fitiavany
N y mba hany faniriany
Ilay tokana mba tiany
...dia IANAO IRERIY

herizo imc
--------
Rohy:
1833 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149