Gina-paniriana (raozy mainty)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ginan'mpanirina


Nakipiny ny masony tsy hahita anao intsony
Niniany novonoina ilay vetso tany ampony
Najanony ho nofy ilay inareo hiara dia
Tsy nataony fantatrao f'izy raiki-pitia


Ka ilay tsiky hita soritra teo amin'ny tavany
Misary filaliana nasetrin'ny fitiavany
Ilay fahoriana lalina nanjary niaretany
Niafiany tao anaty tsy hanjaka ny hetahetany


Ireny kisarisarin'ny ho avy faniriany
Fitantarany matetika ny amin'ny olo-tiany
Dia ianao ranoray fa nataony ahkamatatra
Noezahiny vonoina ny fo maniry fatratra


Tsy sangy tsy akory ilay tomany
Fa nihaotra ny fatra ny anatiny tany
Ilay bitsika mora efa tonga feo avo
Ilay hery faniriny efa nanakatra avo


Fa azy dia azy tsy ho fantatrao
Ilay hendrika edena hofihihiny ao
Ilay nofy mangina anareo mitambatra
Fo maniry ho tiana maniry ho sambatra
Herizo
--------
Rohy:
1252 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141