Tsiky avy ampony (raozy mainty)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mbetika izy no mandinika ilay sarinao mitsiky
dia mba mitsiky ko ny molony f'indrisy tsitanao akory ilay tsiky avy any ampony toy ilay hasehony rehefa hiaona iny ianareo....
Nahiratro ilay masoko efa difo-dranomaso
ny fidobokin foko te iteny hoe andraso
aza ilaozana eo ny nofy mamin fitia
fa mba endraso ho tonga lay vorona nania
tsiky iray tsy sazoka fa henatrin molotra
no mba sisa fara hery mba natolotra
fa raha ny halahelo tao ampo sy saina
ngamba tsy mba vita aseho sy tantaraina
iny miaraka mivoaka ho eny antokotany
entin'ilay fitiavana iantso hitomany
mitazana ny volana ilay fo manganohano
ny hitako aty ko mba mamirapiratra any
lasa lavitra ny saina misy fatotra mitaiza
te hiazakazaka ny fo nefa mba ho aiza
sepotrin'ny sedra nameno ny fisainana
ilay vorokely nisantatra ny fiainana
sento mbola manantena hiova tsiki2
Fijery mahonena mijery ny tsy misy
fo voarotsin'teny mamy fa vesaran'heta2
te hatsapa ilay fitia sy ny vatanao rehetra

f'isika tokoa moa
natambatrin'ny soratra anivon'mpahabangana
nampiraisin'ny fomba feno fahajambana
miandry ny ho avy izay hisy fahagagana
fa mahery ny fitia tsy mba hisy faharavana
dia ny fanantenana...
hoe ny fo nitambatra ho iray
voadim-po mandrakizay
tsy manisy elanelana
fa aleo ny fo amelana
hanisy fiainana vao2
dia ilay ho eo anilanao
ka na ho ela na ho aingana
n'inona n'inona ho laingany
dia hitoetra ho iray
ka ho mandrakizay
reto fo roa nifandray
--------
Rohy:
1644 0
Hevitra mandeha
teffoot ( 19/10/2014 17:02)
tsar e, f mb az asin anle ten afoizn ao antin e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144