misy any ho any (raozy mainty)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy namako any tiako
Fa nandriandra ny fisiako
Ho hafali-maharitra

Misy daty any tsy adinoko
Fa nampatsiahy lay nofihiniko
Fotoana voafaritra

Misy hira any toa tsaroako
Fa miventso ny ati-foko
Ilay tantara niserana

Misy tsiky any mbola miaina
Fa namirana ny saina
Fitiavana tsy ferana

Misy anarana any mamiko
Fa nisalorako ny akaniko
Namantarako ny soa

Misy tiana any notiaviko
Fa nanankinanko ny ho aviko
Sarobidy tao ampo

herizo imc
--------
Rohy:
1251 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141