Iny soratro iny (raozy mainty)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay soratro iny

Moana hono ny vavako
ka ny hafatrin'ny foko
Sy ilay bitsin'ny fitiavako
aza koboniko ho ahy irery
Dia marina anie izany,
fa izaho hono tsy hiteny
na ho fatin'alahelo
sy ho vonton'ny tomany

Dia iny soratro iny,
ilay nilazako teto omaly
fa misy fo mijaly,
misy saina diso làlana
misy anjely tapak'elatra,
maniry te hivelatra
misy fery mihombo ratra;
misy zavatra tsy zaka

Dia vetsovetsom-poko
fa nilaozan'ilay namana
ilay nenin'ny hadisoako
fa nizara teo ny làlana
Ilay filazako azy
fa irery aho no miharitra
Ka nanjary hita faritra
ny andro izay iainako

Nobedesiny aho tsy hamerina,
dia avy noteheriny
Ilay soratro iny,
Noraisiny ny tànako,
nobanjininy ny tavako
Ampy izay ny jaly fa fotoana angamba izao
hoy izy mitsangana
...f'izaho koa tia anao
--------
Rohy:
1846 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146