You are here: home > Vetso

14-02-2006 - raozigasy

Azo vakiana?

14-02-2006

Inona moa ny andro anio

No voatokana an-diary
Ary aseho miharihary
Amin’ny loko tena miavaka
Asiana sary fo miravaka ?


Inona moa ny andro anio

No mandeha tsiroaroa
Mifampiankinankin-doha
Mitositosy sy midola
Anaty tamby sy angola ?

Inona moa ny andro anio

No anadinoina disadisa
No amafana kisakisa
No andeferam-betivety
Sady hiarahana mifety ?

Inona ary moa fa tsy hoe

Andron’ny mpifankatia
Mitanjona ny ho doria
Andron’ireo izay Tia sy Tiana
Miara-miombom-paniriana

Ka maninona ary moa raha hoe :

Hatao toy ny androany hatrany
Ny andro sisa am-parany any
Ho tompon-daka ny Fitia
Amin’ny androntsika ety !!!!

Hevitra mandeha

fiaritiana (14/02/2006 21:21:16)

tena tsara be ry Raozy a! tiako be

Hametraka hevitra

Midira aloha