You are here: home > Vetso

Alamino aloha ny fo - raozigasy

Azo vakiana?

Ho setrin'ny "AHY sy IZY" nosoratan'i Kiriah

tsy hiditra tantara, na hitsabaka fiainana
fa amin'ny mahamanana, dia mizara fitaintainana
tsy fitia te hahalala, izay tsiambaratelo
fa te hampitraka amin'izay mampalahelo

ilay siakan-teny izay, no antony indrindra
hahalalanay fa, misy fery tsy voarindra
mitsako ny ao anatiny, mikaikitra ilay namana,
mankarary ny ainy, kanefa tiany ho tanana

dia mampahery izany, sisa angamba teny
azo anterinterina, eny an-tsisiny eny
mahereza ranabavy, izany moa ilay fiainana
alamino aloha ny fo, dia avy eo eto am-pisainana