Aleoko ihany (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleoko ihany ianao mandatsa ,amin’ny teninao mahery
Toy izay ianao mangina, amin’ny tifitra fijery
Aleoko ihany ianao mikiaka, amin’ilay feo vonton-kita
Fa ilay hari-jerinao, tena tsy tantiko ho hita

Aleoko ihany ianao mivaza, amin’ny feonao feno ketoka
Fa tsy laitrako mihitsy, ilay jadon-dianao mifetoka
Aleoko ihany ianao mitaba, sy mikapoka latabatra
Toy izay misefosefo, miaraka amin’ny fo sabatra

Aleoko ihany ianao mimenona, sy manakapo-baravarana
Fa ilay valifati-masonao, tsy tiako ilay manarangarana
Aleoko ihanyianao tomany, ao anaty haromotana
Toy izay mivandraka ahy, fa tonga aho dia mikorontana

Kanefa

Ny tena tiako dia izao,
tsy tezitra amiko ianao
Eny na dia tezitra aza,
dia manao ilay tezi-jaza
Misintaka mitsoaka kely,
avy eo mizara mamikely
Sy trotroiko am-pifaliana,
eo an-tratrako ry tiana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
983 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.033