Am-panajana sy am-pirahalahiana (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ilay ianao tia kanto no halako, na ilay fihetsikao mizara
fa ilay dika vilanao mitovy, no mandratsy ny tantara
sady alainao ny asa soratra, no disoinao ny tsipelina
ka na ny mpamaky aza, hita hoe voaelingelina

Raha hatreo koa moa mba naninona, Ny tena loza dia ity,
ny kanton'olona rambasana, angalarinao koa ny sonia
ka maro reo miaka-pofona, mitady tsy hahazaka intsony
ka azafady re ranamana, sao mivadika ny fony

Izaho hatreto aloha milamina, tsy mitady akory kisa
fa miteny am-pahendrena, aza atao intsony amin'ny sisa
raha maniry ianao hahay, azo atao ny mifanoro
fa ilay halatr'asan'olona, mampiakatr'afo sy mandoro

Koa miangavy ry sakaiza, ho an'ireo mpanoratra hafa
ialao re ny tsiny, mba tsy hivadika ny tafa
fa efa maro ny mpanoratra, tezitra ny fony lotika
fa na ny sainy na ny asany, noho ianao manjary potika

Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
1091 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0253