ANDALAN-TONON-TENY (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDALAN-TONON-TENY

Satria anio fetin’ny Reny
Dia hatolotro ho azy ireny
Indrindra indrindra ho an’i neny
Ireto andalan-tonon-teny

Tsy tonga lafatra ianao
Raha niezaka hamita
Ireo kely izay mba fantatrao
Ka ny zanaka ho tafita

Tsy tonga lafatra ianao
Raha nitaiza nanabe
Nikolo ireto zanakao
Hahaleo tena raha mandeha

Tsy tonga lafatra ianao
Raha nifofotra mihitsy
Ho an’ireto zanakao
Ninia namorona tsy misy

Tsy tonga lafatra ianao
Raha niasa mafy ,vaky loha
Ka teo amin’ny fiainanao
Ny sombin’aina no voaloha

Tsy tonga lafatra ianao
Raha nitohy misesisesy
Mananatra ireo zanakao
Eo amin’ny fiainana sao resy

Tsy tonga lafatra ianao
Ary izay no tena tsininy
Ka na lehibe ny zanakao
Tsy afa-bela fa fihininy

Tsy tonga lafatra ianao
Izay ilay andalan-tonon-teny
Amin’izao andro anio izao
Ho an’i Neny, ho an’ny Reny
--------
Rohy:
2960 1
Mpakafy: 12
Hevitra mandeha
12 ( 02/06/2006 14:13)
tsara ilay izy fa dia izany ary ve dia natao lava be
veloma eeee!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0464