You are here: home > Vetso

ANY MADAGASIKARA - raozigasy

Azo vakiana?

Any an-tanindrazana any
Henoko re ny tomany
Henoko ny fahoriana

Any Madagasikara
Henoko re ny tantara
Henoko ny fijaliana

Ary ianao ve mba mandre
Ireo hetaheta be dia be
Sy antso vonjin-drahalahy

Ary ianao ve mahalala
Hoe firy moa no lasa adala
Sy very saina sy fanahy

Ka ny vavaka atao
Tiako hiarahana aminao
Dia angamba tsotra ihany

Andao isika izao dia izao
Hijery izay azontsika atao
Hiatrehana izany

Hevitra mandeha

12 (02/06/2006 14:25:26)

tsara fa tohizo
samy mahafantatra ny any angeha eeee!!! ary samy mahatsapa izany koa

Hametraka hevitra

Midira aloha