Asa (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indraindray aho mila ho leo, miasa sy mitady vola,
Fa ny volom-bava mihafotsy, ary ny loha mihasola
Indraindray aho kivikivy, mandao ny trano vao maraina
Miketriketrika ati-doha, mikajikajy miasa saina

Kanefa …..

Vao maheno an-tarobia, ilay zara risikao ry vadiko
Dia mahazo zoto vao, ilay vitribitrika fitadiko
Vao maheno an’akoako, ilay kakakakanao ry zanako
Dia mivadika hakingana, ilay ngolin-kamon-drantsan-tanako

Fa …

Ho inoko izay vola miditra, ho inoko izay asa atao ?
Raha tsy ho an’ny tokantranoko, sa ho an’iza hoy ianao ?
Ho inoko izay vola azoko, valin-kasasaran-tanako ?
Raha tsy ho an’ny tokantranoko, ho an’ny vadiko sy zanako …
--------
Rohy:
1699 0
Hevitra mandeha
kiriah ( 03/06/2011 17:19)
tsara !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0379